Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina

Ny Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina aminy

Ny Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina (frantsay: Colonie de Madagascar et dépendances) dia ireo zanatany frantsay taty ampitan' ny morontsirak' i Afrika Atsimo-Atsinanana, izay nanomboka tamin' ny taona 1897 ka tsy nifarana raha tsy tamin' ny taona 1946, talohan' ny nahatongavany ho "Fizaràn-tany frantsay ampitan-dranomasina" hatramin' ny taona 1958. Izy no nitantana ny tanin' ny Prôtektôrata frantsain' i Madagasikara teo aloha, izay nikambanan' ny faritra hafa teo ambany fiandrianam-pirenen' i Frantsa toa ny Tamba-nosy Kômôro (anisan' izany i Mayotte sy ny nosy Glorieuses), i Bassas da India, ny nosy Juan de Nova, ny nosy Europa, i Terre Adélie ao amin' ny faritr' i Antarktika ary koa ny faritra avaratra akaikin' i Antarktika toa ny nosy Amsterdam, ny nosy Saint-Paul, ny vondo-nosy Crozet ary ny vondro-nosy Kerguelen.


Previous Page Next Page