Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Zanamalata

Ny Zanamalata na Malata dia ny taranaky ny Eorôpeana jiolahin-tsambo nanambady vehivavy malagasy tany amin' ny morontsraka antsinanana amin' i Madagasikara, tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-18. Ireo jiolahin-tsambo tandrefana ireo sy ny mpivarotra andevo dia nirenireny tany amin' ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara. Ny malaza indrindra amin' ireo Zanamalata ireo dia Ratsimilaho, zanaky ny jiolahin-tsambo anglisy atao hoe Thomas White sy i Jean René.

Tamin' ny tapany voalohan' ny taonjato faha-18, Ratsimilaho dia nahomby tamin' ny fampivondronana ny foko samihafa teo amin' ny morontsiraka atsinanana, ka namorona kônfederasiôna izay teo ambany fahefany. ity filoha vaovao ity dia niantso ny tenany hoe Ramaromanompo, ary ny vahoaka navondrony dia nantsoina hoa Betsimisaraka.

Ratsimilaho no mpanorina ny Fanjakana Betsimisaraka voalohany. I Jean René kosa dia zanaka mpiraki-draharaha tao amin' ny Compagnie française des Indes orientales. Nanambara ny tenany ho mpanjakan' i Mahavelona sy Toamasina tamin' ny taona 1811 ary nandroaka ny Zanamalata. Tamin' ny taona 1817 dia nanaiky ny fahefan-dRadama I izy mba hitazonany ny fahefana teo an-toerana ary nanampy azy handresy ny faritra Atsimo Atsinanana. Taorian' izay dia niaro ny rovan' i Mahavelona tamin' ny Frantsay sy ny Anglisy izy.


Previous Page Next Page






Malata French

Responsive image

Responsive image