Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Zaha

Zaha
Lalana misy zaha

Ny zaha na renala na reniala na bontona na baobaba dia hazo tsy misy afatsy eto Madagasikara sy any Aostralia ary ao Afrika. Hazo trôpikaly mamorona vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika taloha, na ny ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika izy. Adansonia no anarany ara-tsiansa.

Misy karazany sivy izy maneran-tany, ny fito amin' ireo dia eto Madagasikara no misy azy ary enina amin' izay dia tsy misy afatsy eto ihany, no roa kosa dia miparitaka amin' ireo faritra hafa voalaza etsy ambony. Hazo makadiry ny zaha, izay mety hahatratra hatramin' ny 40 m ny haavony, misy koa anefa ireo izay somary fohifohy 4 m na 5 m. Mety ho velona mandritra ny 1 000 taona na maherin' izany aza izy raha tsy misy manimba. Mbola eo koa ireo voka-tsoa betsaka azo avy aminy, na fanafody izany na zavatra hafa. Azo atao sakafo sy fampiasana amin' ny fanaingoana vatana ny voany. Na ny tahony, na ny raviny, na ny hodiny, ny voany, dia tsy misy very fa azo ampiasaina avokoa.

Adansonia grandidieri

Previous Page Next Page






Kremetart AF تبلدي Arabic تبلدى ARZ Adansonia AST Adansoniya AZ آدانسونی AZB Баобаб Bulgarian বাওবাব Bengali/Bangla Baobab BR Baobab BS

Responsive image

Responsive image