Ny Zafiraminia na Zafindraminia dia vahoaka silamo nonina teto Madagasikara. Niseho teto amin' ny Nosy izy ireo, fara fahakeliny, zato taona talohan' ny Antemoro izay fantatra kokoa; matetika tsy miavaka ny fomban' ireo vahoaka roa tonta ireo. Araka ny lovantsofina dia taranak' i Raminia izy ireo.
Ny mpitarika ny Zafiraminia maro dia nilaza fa taranaky ny fianakaviana nifindra avy tany Maka (na Lameka) any Arabia Saodita ankehitriny ka hatrany Mangalore[1] ary avy eo nankaty Madagasikara. Na izany aza, ny manam-pahaizana sasany dia mino fa ny niaviany dia mety ho tany Somatra na tany amin' ny vahoaka bogy[2] any Bôrneô. Ny lovantsofina nentim-paharazana hafa koa dia manohana ny fiaviana avy any Somatra, satria ny hoe Ramini dia toa anaran' i Somatra tamin' ny Andro Antenatenany. Heverina fa tamin' ny taonjato faha-13 ny Zafiraminia no tonga voalohany teto Madagasikara[3] [4].