Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Voamadinika

Ny varimbazaha dia voamadinika

Ny voamadinika dia zavamaniry toy ny ahitra, fihinam-boa. Anisan' ny fianakaviana graminea ny ankamaroany. Ny voamadinika fahita indrindra dia ny varimbazaha, ny ôrza, ny ampembambazaha, ny katsaka, ny vary, ampemba. Ny voamadinika no miantoka ny ampahany be amin' ny sakafon' ny mponina eran-tany. Ny voany dia tena misy "siramamy miadam-piasa" (gliosida saro-drafitra): anelanelan' ny 60 sy 85 %. Hanina masaka nahandroina mivantana, na nototoina ho lafarinina (vary, ôrza, varimbazaha, sns.) alohan' ny hamavadihana azy ho mofo, na paty. Ny voany sy ny tahony ary ny raviny dia ampiasaina hohanin' ny biby fiompy. Ny voan' ny voamadinika sasany dia azo ampiasaina amin' ny fanaovana toaka (ny ankamaroan' ny labiera, ohatra, dia azo avy amin' ny fanotrehana ny ôrza).

Ampemba

Ny voamadinika dia anisan' ny zavamaniry novolen' ny olombelona voalohany, nandritra ny Neôlitika, 10 000 hatramin' ny 12 000 taona lasa izay. Ny varimbazaha dia avy any Azia Minora, ny vary avy any Azia sy Afrika; ny katsaka no hany voamadinika teratany any Amerika. Amin' izao fotoana izao, ny voamadinika rehetra dia ambolena manerana izao tontolo izao.

Katsaka
Vary

Ny ankamaroan' ny voamadinika dia ao amin' ny fianakaviana Gramineae. Ny varimbazaha dia atsoina amin’ ny anarana siantifika hoe Triticum, ny ôrza Hordeum ny segla Secale, ny avoanina Avena, ny vary Oryza ary ny katsaka Zea. Ny ampembambazaha sy ny mitovitovy aminy dia mizara ao amin' ny Setatia, ny Eleusine, ny Panicum ary ny Pennisetum; ny ampemba dia ao amin' ny Sorghum sy Andropogon. Ny sarase dia Polygonaceae ao amin' ny karazana Polygonum.


Previous Page Next Page






Graan AF Getreide ALS እህል AM Cerial AN Corn ANG محصول حبوب Arabic حبوب ARZ Cereal AST Dənli bitkilər AZ Иген культуралары BA

Responsive image

Responsive image