Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Tsimihety

Ny Tsimihety na Antandroña dia vondrom-poko any amin' ny faritra avaratra amin' i Madagasikara, ao amin' ny faritanin' i Mahajanga, hodidinin' ny tainn' ny Antakarana avy ao avaratra, ny Betsimisaraka avy ao atsinanana, ny Sihanaka avy ao atsimo ary ny Sakalava avy ao andrefana. Antsohihy, i Mandritsara, i Befandriana-Avaratra, i Mampikony, i Boriziny ary i Bealanana no tena tanàn-dehibe onenan'ny foko Tsimihety.

Tamin' ny vaninandro faha mpanjaka dia tsy nahafantatra ny fisian' ny andriana sy ny tsy andriana ny Tsimihety fa mitovy saranga sy zo avokoa ny mponina rehetra ao amin' io vondrom-poko io ka ny zokiolona no mitondra ny fiarahamonina.

Ny anaran' izy ireo dia midika hoe "ireo izay tsy manapa-bolo mihitsy", fihetsika azo inoana fa mifandray amin' ny fahaleovan-tenany tamin' ny Fanjakana Sakalava any andrefany, izay antenaina hanapaka volo amin' ny fotoana fisaonana. Hita any amin' ny faritra be tendrombohitra amin' ny Nosy izy ireo. Iray amin' ny vondrom-poko malagasy lehibe indrindra izy ireo ary eo anelanelan' ny 700 000 sy 1,2 tapitrisa mahery ny isany. Io fanombanana io dia mametraka azy ireo ho foko fahaefatra lehibe indrindra eto Madagasikara.


Previous Page Next Page






Tsimihety AF Цыміхеты BE Tsimihety German Tsimihety people English Tsimihety Spanish Tsimihety (peuple) French Tsimiheti Croatian Tsimihety ID Tsimihety Italian ツィミヘティ人 Japanese

Responsive image

Responsive image