Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Toetany

Ny toetanin' ny faritra manerana izao tontolo izao.

Ny toetany dia ny fitambaran’ ny zava-mitranga momba ny toetrandro mampiavaka ny toerana na ny faritra iray, izay nanaovana salanisa mandritra ny ampolo taonany maro (mahatratra 30 taona), ka anisan’ izany ny sala-maripana ambany sy ambony, ny salan-kafanana ambony sy ambany, ny salan-drotsak' orana ambony sy ambany, ny fizoran' ny rivotra sy ny hafainganam-pitsokany ankapobeny, ny salam-paharetan’ ny fanazavan' ny masoandro. Ny toetany dia tsy afangaro amin’ ny toetrandro izay zava-mitranga eny amin' ny habaka manodidina ny tany isan' andro na mandritra ny andro vitsy.

Ny toetany dia ny tsinjara araka antontanisan' ny toetran' ny atmôsferan' ny tany eo amina faritra iray mandritry ny vanim-potoana iray. Haitoetany na klimatôlôjia no anaran' ny taranja mandinika ny toetany. Samihafa amin' ny ny haitoetany ny haitoetrandro na meteôrôlôjia noho ity farany mandalina ny toetrandro amin' ny fotoana fohy sy amin' ny toerana voafetra.

Na amin’ ny faritra iray aza dia tsy mitovy tanteraka ny toetany arakaraka ny toerana heverina ao amin’ io faritra io, fa misy fiovana kely sy miandalana. Mety samy hafa noho izany ny toetany amin’ ny faritra samy hafa ao amin’ ny firenena na kôntinenta iray. Izany no mampisy karazana toetany maro eto an-tany: mangatsianka na mafana na antonony, mando na maina na antonony, sns.

Mamaritra ny toetany amin’ ny faritra iray ny hazavana sy ny hafananan’ ny masoandro azon’ ilay faritra (vokatry ny tsy fitoavian’ ny zoro iantefan’ ny tara-masoandro amin’ ny toerana tsirairay eto an-tany, arakaraka ny fehin-tanin’ ilay toerana), ny fivoivoin’ ny rivotra sy ny ranomasina (izay manova ny fitsinjaran’ ny hafanana sy ny hatsiaka), ny maha akaiky na lavitra ny ranomasina ilay faritra, ary ny endriky ny vohon' ny tany (tendrombohitra, lemaka, sns) ao amin’ io faritra io.


Previous Page Next Page






Klimaat AF Klima ALS Clima AN Medumweder ANG مناخ Arabic জলবায়ু AS Clima AST İqlim AZ ایقلیم AZB Климат BA

Responsive image

Responsive image