Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Razana (finoana malagasy)

Ny razana, araka ny finoan-drazana malagasy, dia ny olona efa maty nefa heverina ho hery mpanao soa (amin' ny alalan' ny fanahiny) eo amin' ny fiainan' ny velona, noho izy ireo namela zavatra maro na inoana fa manam-pifandraisana akaiky kokoa amin' ny Zanahary amin' ny maha fanahy azy. Mihevitra ny Malagasy mandala ny fivavahan-drazana fa ny fanahin' ny razana dia mety manjary angatra raha tsinontsinoavina na atao ratsy[1]. Heverina fa manangatra eo amin' ny fasana nandevenana azy sy mitondra aretina sy loza amin' izay nanao ratsy azy ny angatra. Misy ny mino fa ny fombafomba sasany, toy ny famadihana, izay amokarana sy amonosan-damba vaovao ary andevenana indray ny vatan' ny maty isaky ny dimy hatramin' ny folo taona, dia misakana ny fanjariana ho angatra na kinaoly noho ny fikambanan' ny lamba amin' ny hasina, izay hery mahavelona tsy hita maso sy masina[1]. Miovaova arakaraka ny faritra eto Madagasikara ny finoana momba ny hery sy ny asan' ny razana. Ny fanambaràna ataon' ny razana na ny asany no matetika niandohan' ny fady izay mandrafitra ny ampahany amin' ny fiainam-piarahamonina malagasy nentim-paharazana.

Hita eo amin' ny fomba fiteny sy fanao samihafa ny lanjan' ny razana eo anatrehan' ny Malagasy. Anisan' izany ny fanomezana lanja ny tanindrazana (na tanin-drazana), ny tenin-drazana, ny fomban-drazana, ny fadin-drazana, ny vakodrazana, ny fahitana ny teny hoe razana ao amin' ny anarana malagasy maro, sy ny maro hafa koa. Ahitana taratra ny fanomezana lanja ny razana koa ny fanaovan-javatra amin' ny anaran' ny taranaka.

  1. 1,0 et 1,1 Littleton, C. Scott (2005). Gods, goddesses, and mythology. Marshall Cavendish. p. 74. ISBN 9780761475590. Notsidihina 19/06/2010.

Previous Page Next Page








Responsive image

Responsive image