Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Onjatsy

Ny Onjatsy dia foko ao amin' ny vondrom-poko antemoro sy antambahoaka koa, ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ao amin' ny morona tsimon' i Matitanana, mpihavana amin' ny Anjoaty any avaratra-andrefana amin' i Madagasikara sy ny Onjatsy any avaratra-atsinanana (indrindra any Vohimaro) sy any amin' ny Sakalava. Araka ny lovantsofina dia efa talohan-dRamakararo sy Ramalitavaratra ary Andriantsimeto Ranaha no nahatongavan' ny razambeny tao amin' ny faritra misy ny Antemoro, nefa nanaiky ho vahoakan-dRamakararo ny Onjatsy. Nikomy tamin' ny Anteony ny Onjatsy taty aoriana, tahaka ny Ampanabaka, tamin' ny taona 1881-1884, ka lasa foko mpanombily ankoatran' ny Anakara, ny Anteony, sy ny hafa.


Previous Page Next Page








Responsive image

Responsive image