Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Ombiasa

Sary sokitra maneho ombiasy iray amperin'asa.
Ombiasy

Ny ombiasa na ombiasy na mpimasy na moasy dia olona misahana ny fitsaboana sy ny fiarovana amin' ny fanahy ratsy na ny ody ratsy eo amin' ny fiarahamonina malagasy mandala ny finoan-drazana. Maro ny zavatra sahanin' ny ombiasa, ka ao ny fitsaboana ny aretin' ny vatana na ny aretin' ny saina amam-panahy, ny famantarana ny hoavy sy ny zavatra tsy hita. Atahorana koa ny ombiasa satria mahay mamorika na mamosavy amin' ny alalan' ny fampiasana ody ratsy. Ny maha ombiasa dia asa fivelomana ho an' ny ombiasa maro. Olona mahafehy ny fahalalana ny hasin' ny zava-maniry manodidina azy ny ombiasa ka manam-pahaizana momba ny raokandro. Mety ho sady mpitazona ody ny ombiasa no mpanandro sy mpisikidy ary mpanolo-tsaina eo amin' ny fiaraha-monina. Misy koa anefa ireo inoan' ny olona fa mitazona ody ratsy hamorehana na ho enti-mangalatra sns. Sady hajaina noho izany ny ombiasa no atahorna.


Previous Page Next Page






Ombiasy French

Responsive image

Responsive image