Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Oganda

Sainan' i Oganda
I Oganda eo anivon' i Afrika

I Oganda dia firenena ao Afrika Atsinanana, manana velarana mirefy 241 038 km². I Kampala no renivohiny. Atao hoe Ogandey ny vahoakan' io firenena io. Tsy manana morontsiraka i Oganda, nefa ny antsasaky ny ny farihy Victoria (izay farihy lehibe indrindra aty Afrika) dia mandrakotra ny ao amin' ny tapany atsimo.

Lembalemba avo no mamorona ny vohon' ny tany, izay manana salan-kaambo 1 200 m. Ao andrefana no ahitana ny tangorom-bohitr' i Ruwenzori izay manana tampona any amin' ny 5 109 m. Manondraka an' i Oganda ny ony Nily (na Neily) sy ireo rantsany. Ny tapany atsimo dia anjakan' ny hivoka anirian-kazo fa ny afovoany sy ny andrefana kosa dia rakotra ala.

Vahoaka banto no maro anisa amin' ny mponina ao Oganda, nefa ahitana vahoaka nilôtika avy amin' ny lohasahan' ny ony Nily ihany koa ao. Monina ambanivohitra ny ampahany be amin' ny mponina. Kristiana ny ankamaroan' ny vahoaka ogandey.

Sarin-tanin' i Oganda

Miankina be amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Oganda: anisan' ny volena any ny mangahazo sy ny kafe ary ny landihazo. Ny taozavabaventy dia miompana amin' ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ho sakafo. Manana otrik' angovo lehibe i Oganda noho ny fisian' ny riamben' i  Owen eo amin' ny ony Nily.

Zanatany britanika taloha i Oganda fa efa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1962. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy ary ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.


Previous Page Next Page






Уганда AB Uganda ACE Uganda AF Uganda ALS ዩጋንዳ AM Uganda AMI Uganda AN Uganda ANG Yuganda ANN युगाण्डा ANP

Responsive image

Responsive image