Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Madagasikara

((mg))
((mg))
Repoblikan'i Madagasikara ((mg))
Sainan'i Madagasikara Mari-piandrian'i Madagasikara
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana
Teny ofisialy malagasy
frantsay
Renivohitra Antananarivo
18°54′57″S 47°31′18″E / 18.91583°S 47.52167°E / -18.91583; 47.52167
Tanàna lehibe indrindra Antananarivo
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
- Praiminisitra
Repoblika
Andry Rajoelina
Christian Ntsay
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 46
587 040 km²
0,95
Isam-ponina
 - Tontaliny (2010)
 - hakitroka
faha 53
22,005,222 mpo.
36.25 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Malagasy
Sandam-bola Ariary (MGA)
Faritr'ora UTC +3
Hiram-pirenena Ry Tanindrazanay malala ô
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+261

I Madagasikara na Repoblikan' i Madagasikara dia firenena ao amin' ny tapany andrefana amin' ny Ranomasimbe Indianina, eo atsinanan' i Afrika sady anisan' ity kôntinenta ity. Izy no nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany. Antananarivo no renivohiny. Manana velarana mirefy 587 000 km2 izy ary manana sakany mirefy 580 km sy lavany mirefy 1 580 km. Atao hoe Malagasy ny vahoakan' io firenena io.

Toerana fonenan' ny 5 %-n' ny biby sy ny zavamaniry misy eto amin' izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80 %-n' ireo dia izy irery ihany no manana azy eto an-tany. Voasokajy ao anatin' ireo ny gidro isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo sy zava-maniry toy ny zaha na renala izay ahitana sokajy karazany valo, anisan' izany ny enina tsy hita amin' ny toeran-kafa.

I Madagasikara dia nipoitra tamin' ny fiparitahan' ny kôntinenta Gondwana 35 tapitrisa taona tal. J.K.: i Madagasikara sy i India dia nisaraka tamin' i Afrika ary 50 tapitrisa taona taty aoriana dia nisaraka tamin' i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin' izao fotoana izao. Misy faritra ekôlôjika maromaro eto Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika ireo noho ny asan' ny olombelona (tavy, fandringanana ny ala, fihazana ny biby); ankehitriny dia 95 %-n' ny ala taloha no voaringana.

Araka ny arkeôlôjia dia tonga teto tamin' ny taona 300-500 taor. J.K. ny olona voalohany indrindra tonga teto Madagasikara. Ireo mponina ireo dia Aostrônezianina avy any Bôrneô, any Indônezia. Tonga 700 taona taty aoriana ny vahoaka Banto izay niampita ny Lakandranon' i Môzambika, ny Arabo avy any avaratra, ny Indiana ary ny Sinoa. Tamin' ny taonjato faha-17 dia nanomboka nanjanaka ampahan-tany tao Madagasikara ny Frantsay (Fort-Dauphin, Diego-Suarez).

Samy manana ny anjarany ao amin' ny fiainana ara-kolontsaina malagasy ankehitriny ireo mponina niorim-ponenana teto Madagasikara ireo.

Nandritra ny taonjato faha-19 dia voazanaky ny Fanjakan' i Madagasikara (fanjakana merina) ny ampahany be amin' ny nosin' i Madagasikara; izany fanjakana izany dia naongan' ny fanafihan' ny Frantsay tamin' ny taona 1895. Tafapetraka tamin' ny 10 Ôktôbra 1958 ny governemanta malagasy voalohany taorian' ny fanjanahan-tany frantsay, ary tamin' ny taona 1960 no nambara ampahibemaso ny fahaleovantenan' i Madagasikara taorian' ny tolon' ny tia tanindrazana. I Madagasikara no anisan' ny firenena voalohany nahazo fahaleovantena tao amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ary anisan' ny voalohany indrindra amin' ny faritra atsimo aty Afrika. Izany anefa tsy nahatonga azy ho anisan' ny firenena voalohandohany afaka amin' ny fahantrana noho ny fitavozavozan' ny fitantanana ny firenena hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantena.


Previous Page Next Page






Мадагаскар AB Madagaskar ACE Madagaskar AF Madagaskar ALS ማዳጋስካር AM Madagascar AMI Madagascar AN Madagascar ANG Madagasika ANN माडागास्कार ANP

Responsive image

Responsive image