Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Ginea Bisao

Sainan' i Ginea Bisao.

I Ginea Bisao dia firenena any Afrika Andrefana izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Manana velarana mirefy 36 120 km² izy ka ny 28 000 km² tany maina fa ny 8 120 km² kosa ranomasina. I Bissau no renivohiny. Nisy mponina miisa 1 833 247 tao tamin' ny taona 2018. Atao hoe Bisaogineana ny vahoakan' io firenena io.

Sarintany maneho an' i Ginea Bisao sy ireo firenena manodidina azy.

Ny tapany iray amin' i Ginea Bisao dia eny amin' ny tanibe (2/3) izay tany lemaka a-morontsiraka be honahona sy be ala sy an-dembalemba rakotra hivoka aman-kazo maniry, fa ny ampahany sisa dia nosy (1/3) miisa 60 any ho any ao amin' ny tangoro-nosin' ny Bijagós ny ankamaroany.

I Ginea Bisao ao Afrika

Vondrom-poko maro no mamorona ny vahoakan' i Ginea Bisao, ka anisan' izany ny Balanta sy ny Peola ary ny Malinke. Manaraka ny fivavahan-drazana animista ny 65 %n' ny mponina ao Ginea Bisao, fa ny 30 % kosa Miozolmana (indrindra ny Peola sy ny Malinke) ary ny 5 % Kristiana.

Firenena mahantra i Ginea Bisao izay reraky ny trosa miavosa raha ampitahaina amin' ny zava-bokariny. Ny fambolena sy ny fiompiana no foto-piveloman' ny ankamaroan' ny mponina ao Ginea Bisao.

Ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy ao Ginea Bisao.


Previous Page Next Page






Гвинеиа-Бисау AB Guinea Bissau ACE Guinee-Bissau AF Guinea-Bissau ALS ጊኔ-ቢሳው AM Guinea-bissau AMI Guinea-Bissau AN Guinea-Bissau ANG Gini Bisawu ANN गीनिया-बिसाउ ANP

Responsive image

Responsive image