République française ((fr)) | |||||
Repoblika frantsay ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Liberté, Égalité, Fraternité | |||||
Teny ofisialy | frantsay | ||||
Renivohitra | Paris 48°52′N 2°19.59′E / 48.867°N 2.32650°E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Paris | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha - Praiministra |
Repoblika Emmanuel Macron Jean Castex | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 41[1] 675 417[2] km² 0,26% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (Janoary) - hakitroka |
faha 21 65 073 482[3] mpo. 96,3[4] mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Frantsay | ||||
IDH (2006) | ▲ 0,955 (ambony be) faha 11 | ||||
Sandam-bola | Euro sy Franc CFP[5],[6] (EUR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +1 (CET) ; | ||||
Hiram-pirenena | 'La Marseillaise' | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+33
|
I Frantsa na Repoblika Frantsay dia any Eorôpa Andrefana, mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeana. Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin' izy ireo dia i Guyane Française. Atao hoe France na République Française izy amin' ny teny frantsay. Ny renivohiny, Paris, dia anisan' ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan' ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana mirefy 675 417 km2 i Frantsa raha heverina koa ny velaran' ny zanataniny. Ny isan' ny mponiny dia 65,1 tapitrisa tamin' ny 1 Janoary 2009[7].
Ny fiteny frantsay no tenim-pirenen' i Frantsa. Ny fiteny hafa tenenina any Frantsa dia miisa dimy ambin' ny folo raha isaina ny fiteny tenenin' ny vahiny[8]. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian' i Repoblika Demokratikan' i Kôngô.
Ny fivavahana be mpanaraka any Frantsa dia ny katôlisisma, 51 % hatramin' ny 64 %n' ny Frantsay no vita batemy. Fa milaza ho agnôstika ny 32 % amin' ny Frantsay[9].
Ny endriky ny toekarenan' i Frantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan' ny firenena taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin' ny toekareny. Tamin' ny taona 1980 kosa dia nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin' ny tsy miankina. Tamin' ny taona 2008 i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo aorian' i Etazonia sy i Japana sy i Sina ary i Alemaina.