Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Fiteny frantsay

Fiteny frantsay
Français

Isan'ny mpiteny 83 tapitrisa (fiteny voalohany); mahery ny 220 tapitrisa (fiteny faharoa)
Faritany  Frantsa,  Kanada, Afrika miteny frantsay
Sata Teny ôfisialin'ny Firenena Mikambana, ary fikambanana Afrikanina maro


Fiteny frantsay
- Manga maizina: Tenin-dreny;
- Manga: Tenin'ny fandraharahana;
- Manga mazava: teny koltoraly;
- Maitso: mpiteny frantsay hafa.

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin' ny vondron' ny fiteny rômana (vondrona avy amin' ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniôla, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Wallonie ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan' ny teny ôfisialin' i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa ny any Etazonia (indrindra ny ao Louisiane), any Haïti, any Seisela, any amin' ny nosy Maorisy, any Vanoato ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ny mpiteny frantsay aty Afrika, indrindraindrindra ao amin' ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ekoatôrialy Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, firenena be mponina indrindra manerana ny Frankôfônia ary anisan' ny firenena 29 mampiasa ny fiteny frantsay ho fiteny ôfisialy irery na ôfisialy miaraka amin' ny fiteny hafa, ny ankamaroan' ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena mampiasa ny fiteny frantsay ankehitriny ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljiana taloha. Vitsy ihany ny olona nobeazina amin' ny fiteny frantsay aty Afrika, ao Kôtidivoara sy any Gabôna no misy maro; matetika no mipetraka eny amin,' ny tanandehibe ireo olona ireo.

Any Frantsa dia anisan' ny famantarana ny maha Frantsay ny fiteny frantsay: ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin' ny Repoblika Frantsay (andininy faharoa ao amin' ny Lalàmpanorenana tamin' ny taona 1958). Fitaovana ielezan' ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana azy koa ny fiteny frantsay, tamin' ny didimpanjakan' ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

220 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao, ka ny 72 tapitrisa amin' ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ny Frankôfônia: 2010), fiteny fahenina be mpampiasa indrindra ny fiteny frantsay. Anisan' ny teny ôfisialy enina ampiasaina ao amin' ny Firenena Mikambana (miaraka amin' ny fiteny anglisy, ny fiteny arabo, ny fiteny sinoa (mandarina), ny fiteny espaniôla ary ny fiteny rosiana) sady fiteny ôfisialy na fiteny fiasàn' ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy fiteny ôfisialin' i Frantsa, izay firenena mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, dia fiteny ôfisialin' ny Vondrona Eorôpeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan' ny Ady lehibe voalohany dia fiteny fiasàn' ny fianankaviana nanjaka tany Eorôpa ny fiteny frantsay sady fiteny ampiasain' ny diplômaty rehefa mihaona.


Previous Page Next Page