Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Faritra Atsimo ao Afrika

Sarintany maneho ny Faritra Atsimo ao Afrika

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapak' i Afrika ao atsimo izay fitambaran' ny firenana sy tany ao atsimon' ny alam-pehibe afrikana. Tanisaina ao amin' io faritra io ny nosy afrikana ao atsimo-andrefan' ny Ranomasimbe Indiana manodidina an' i Madagasikara (avy ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika ka hatrany amin' ny nosy Maorisy sy ny nosy La Réunion) ary ny nosy afrikana ao atsimo-atsinanan' ny Ranomasimbe Atlantika.

Ireto avy ny firenena ao amin' ny Faritra Atsimo amin' i Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany), i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (Soazilandy), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy, i Môzambika, i Namibia, i Zambia (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany) ary i Zimbaboe.


Previous Page Next Page