Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Faritanin' Antsiranana

Faritanin' Antsiranana ao avaratr' i Madagasikara

Ny Faritanin' Antsiranana dia iray amin' ireo faritany enina eto Madagasikara izay manana velarana mirefy 43 406 km2. Misy mponina 1 465 606 izy tamin' ny taona 2011. Eo amin' ny 34 mp/km2 I ny hakitroky ny mponina. I Antsiranana na Diego-Suarez ny renivohiny.

Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy nohajaina aza izany. Misy faritra roa ny ao amin' ny Faritanin' Antsiranana, dia ny Faritra Diana sy ny Faritra Sava.

Faitra sy distrika ao amn' ny Faritanin' Antsiranana

Misy distrika sivy ny ao amin' io faritany io izay mitsinjara amin' ireo faritra roa ireo toy izao: ao amin' ny faritra Diana no misy ny distrikan' Ambanja, Ambilobe, Antsiranana I, Antsiranana II, ary Nosy Be; ao amin' ny faritra Sava no ahitana ny distrikan' Andapa, Antalaha, Sambava ary Vohimarina.


Previous Page Next Page