Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Famadihana

Famadihana

Ny famadihana dia famoahana indray avy ao am-pasana ny havana efa maty, izany hoe ny razana, mba ho fahatsiarovana sy ho mari-panajana azy ireo ary ho fangataham-pitahiana aminy. Amin' izany dia entina am-pasan-drazana ny taolambalon' izay maty tany an-tany lavitra izay nalevina tamin' ny fasana vonjimaika (fasana aniritra na anirotra), na raha efa nakevina am-pasan-drazana izy dia famonosan-dambamena no atao ka tanterahina izany isaky ny dimy na fito na folo taona. Famonosan-damba no anarana iantsoana ny famadihana amin' ilay tranga faharoa. Ny Malagasy ao amin' ny foko sasany ihany no manana izany fomba izany. Anisan' ny fomban-drazana iray mampiavaka ny Malagasy ny famadihana na famonosan-damba. Anehoana ny finoana ny fifandraisana mbola misy eo amin' ny velona sy ny maty, izany hoe anehoana ny fanajàna sy fanomezana hasina ny razana. Tsy vitan' ny hoe hahatsiarovana izy io, fa indrindra ahazoana miverina mikasika ireo efa maty. Fotoana ahazoan' ny fianakaviana mifankahita koa izy io.


Previous Page Next Page






Famadihana AF فاماديهانا Arabic Famadihana AZ Famadihana Catalan Famadihana Czech Famadihana German Famadihana English Famadihana Spanish Famadihana EU Famadihana French

Responsive image

Responsive image