Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Betsimisaraka

Betsimisaraka manao lanonana

Ny Betsimisaraka dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin' ny lemaka manaraka ny morontsiraka atsinanana, manomboka any atsimo amin' ny faritr' i Mananjary ka hatrany Sambava sy Antalaha any avaratra. Sahala amin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefana, ny Betsimisaraka dia vondrom-poko maromaro izay nampiraisin' ny toe-javatra ara-tantara ao anatin' ny anarana iray.

Ny Betsimisaraka no foko faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara aorian'ny Merina ary mahatratra 15 %n' ny Malagasy.

Efa ela ny Betsimisaraka no nifanerasera tamin' ireo tantsambo sy mpivarotra eorôpeana izay nitaranaka vahoaka eorôpeana-malagasy, antsoina hoe Zanamalata. Ny fiantraikan' ny kolontsaina eorôpeana dia miharihary amin' ny karazana mozika valsa sy basesa, izay matetika atao amin' ny angorodao. Ny tromba dia misongadina amin' ny kolontsaina Betsimisaraka.

Nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-17, ireo foko isan-karazany tany amin'ny faritra amorontsiraka atsinanana dia nofehezin'ny mpiadidy izay mazàna nitondra tanàna iray na roa. Nipoitra ny Zanamalata antsoina hoe Ratsimilaho mba hampiray ireo foko ireo teo ambany fitondrany tamin' ny taona 1710. Naharitra 50 taona ny nanjakany ary nametraka ny maha-izy azy sy ny fitoniana rehetra manerana ny fanjakana, saingy nalemy tsikelikely io fitambarana io tamin' ny fitondràn' ireo mpandimby azy, ka mora niharan’ny fitaomana sy ny fisian'ny Eorôpeana, fa indrindra ny Frantsay, ny mpivarotra andevo, ny misionera ary ny mpivarotra.

Efa nahafeno fepetra ho kônfederasiôna io fampivondronana io, satria tsy natao hifidy olona iray ho lohany, fa mba hisian’ ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-pôlitika eo amin’ ireo vondrom-piarahamonina samihafa mandrafitra azy. Ilaina ireo fiaraha-mientana ireo amin' ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ireo fiaraha-monina ireo satria ny tontolon' ny faritra tamin' ny taonjato faha-18, voavolavolan' ny varotra lehibe teo amin' ny Eorôpeana sy ny Malagasy, dia mety hanakorontana ny fikambanany. Ratsimilaho dia filohabe malata izay nahavita namory ireo vondrom-piarahamonina amin’ ny ankamaroan’ ny morontsiraka atsinanan’ i Madagasikara, nitondra ny anarana tokana iombonana, dia ny hoe Betsimisaraka, izany hoe "ireo maro tsy misaraka", "ireo izay miray hina".

Ny Fanjakana Betsimisaraka efa nivakivaky dia nofehezin-dRadama I, mpanjakan' Imerina, tamin’ny 1817, izay nanjaka teo amin’ny renivohiny teto Antananarivo, any amin’ny faritra afovoan' i Madagasikara. Ny fanandevozana ny Betsimisaraka tamin'ny taonjato faha-19 dia nahatonga ny mponina ho nahantra; teo ambany fanjanahan' ny Frantsay (1896-1960), dia nisy ezaka nifantoka tamin'ny fampitomboana ny fidirana amin'ny fianarana sy ny asa fikaramana amin'ny fambolena frantsay. Ny famokarana ny voly taloha toa ny lavanila, ny ilangilangy, ny menaka voanio ary ny kafe dia mijanona ho asa fivelomana lehibe indrindra ao amin' io faritra io ankoatra ny fambolena hohanina sy ny jono, na dia loharanom-bola ihany koa aza ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany.

Ara-kolontsaina dia azo zaraina ho vondrona avaratra sy atsimo ny Betsimisaraka. Ny singa maro amin'ny kolontsaina dia mahazatra amin'ny vondrona roa, anisan'izany ny fanajana ny razana, ny tromba, ny sorona omby, ary ny rafitra ara-tsôsialy entin-draibe. Io zana-bondrona tsirairay dia miavaka amin'ny fananany fitenim-paritra azy manokana sy ny fady isan-karazany, ary koa ny fomba fandevenana sasany sy ny fomba hafa. Ny Betsimisaraka dia manao famadihana sy sambatra (famorana) ary mino ny asan' ny ombiasa sy ireo hery mihoatra ny ara-boajanahary. Maro ny fady sy angano momba ny gidro sy ny voay, izay samy fahita manerana ny faritanin' ny Betsimisaraka.

Ny tanin' ny Betsimisaraka dia voafaritry ny reniranon' i Bemarivo ao avaratra sy ny onin' i Mananjary any atsimo. Ireto ny tanànan' ny Betsimisaraka: Maroantsetra, Fenerivo, Soanierana-Ivongo, Toamasina, Vatomandry, Mahanoro ary Andevoranto.


Previous Page Next Page