Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Azia

Ny misy an' i Azia eto amin' izao tontolo izao

I Azia na Asia dia kôntinenta ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny efitra manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Ural. Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin' ny kôntinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 % amin' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.

Sarin-tanin' i Azia

Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: anisan' izany ny vondro-nosy Filipina sy ny vondro-nosy Indônezia (i Sumatra sy i Java ary i Sulawesi), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ny vondro-nosin' i Japàna sy ny nosy Sakhalin. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ny tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva sy ny nosy Andaman sy Nikobar.


Previous Page Next Page






Азиа AB Asia ACE Азие ADY Asië AF Asien ALS እስያ AM Asia AN Asia ANG Esia ANN एशिया ANP

Responsive image

Responsive image