Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Antemoro

Vehivavy manapatapaka taratasy antemoro ao Ambalavao.

Ny Antemoro na Antaimoro na Temoro na Taimoro dia vondrom-poko ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany ao amin' ny faritanin' i Fianarantsoa, eo anelanelan' i Manakara sy Farafangana no faritra tena onenany. Nampalaza ny foko antemoro teo amin' ny tantara ny fanoratana ny Sorabe, ny famakiana ny sora-kintana (fanandroana), fandravonana ny disadisa nisy tamin' ny foko sasany tany amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara. Eo anelanelan' i Namorona sy Manampatrana no faritra onenany. Niisa 500 000 any ho any ny Antemoro tamin' ny taona 2013[1].

Ny foko antemoro atao hoe Anakara sy Antalaotra dia milaza, araka ny lovantsofiny, fa taranaka mpiavy avy any Arabia sy Persia, nefa toa avy any Sômalia (ny foko atao hoe Dira, zana-pokon' ny Sômaly) rehefa dinihina ny fototarazony, ary misy ampahany avy ao amin' ny Soahily monina amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika. Araka ny lovantsofina dia avy tamin' ny mpanjanaka tonga avy any Sômalia tamin' ny taonjato faha-15 na faha-16 izy ireo. Rehefa tonga teto Madagasikara ireo mpanjanaka ireo dia nanova finoana ny Antemoro ho silamo; tsy ela dia navelan' izy ireo izany fivavahana vaovao izany noho ny finoana nentim-paharazana sy ny fanao mifandray amin' ny fanajana ny razana, na dia mbola ao anatin' ny fomba amam-panao aza ny sisa amin' ny finoana silamo toy ny fandrarana ny fihinanana hena kisoa. Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy fanjakana antemoro niorina, nisolo ny fahefan' ny Zafiraminia teo aloha, izay taranaky ny tantsambo ihany koa.

Taratasy antemoro

Ny anaran' io foko io dia avy amin' ny teny hoe "morona". Araka ny lovantsofina dia manana fiaviana arabo ny Antemoro. Avy amin' ny anaran' io foko io no niavian' ny anaran' ny taratasy antemoro izay ampiasaina amin' ny fanaingoana. Ny razan' ny Antemoro no nitondra ny sorabe voalohany teto Madagasikara. Ramakararo no mpanjaka voalohany tao izay nipetraka tao Ivato, ka antsoina hoe Fenovola ny lapany. Anisan' ny Antemoro nalaza ireo nohafaran' Andrianampoinimerina ho lasa mpanolo-tsainany sy nampianatra an-dRadama I.

Tsy ela dia nanjary nalaza ny maha ombiasa sy mpanandro mahery vaika ny Antemoro, noho izy ireo nanao ampihimamba ny fahalalana ny sorabe, izay mampiasa ny soratra arabo hanoratana ny teny malagasy. Nifindra monina nanerana ny Nosy ny ombiasy antemoro, ary tany no nanaovany ny fahaizany ho an'ny fiarahamonina teo an-toerana, nanoro hevitra ny mpanjaka, ary nanangana fanjakana vaovao mihitsy aza. Ity fihetsehan' ny Antemoro ity sy ny famoronana tambazotran' ireo mpanolotsaina ara-panahy matanjaka manerana ny Nosy dia noheverina ho fanerena ny fahatsiarovan-tena eo amin' ny Malagasy amin' ireo vondrom-piarahamonina mihoatra ny azy ary niteraka fahatsapana ny maha-malagasy iraisana. Rava ny fanjakan' ny Antemoro tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 taorian' ny fikomian' ny Antemoro olon-tsotra nanohitra ny sarangan' ny andriana.

Ankehitriny ny Antemoro dia mbola mivondrona manodidina ny morontsiraka atsimo-tsinanana, mamboly vary sy kafe, mamokatra sira, ary manamboatra ody. Matetika ny Antemoro no mandao ny tanindrazany mandritra ny enim-bolana ka hatramin' ny folo volana ao anatin' ny taona na mihoatra mba hiasa ho toy ny ombiasy manolotra ody sy sikidy ary asa masina hafa. Saika misy ombiasy avokoa ny tanàna rehetra eto Madagasikara, ary maro no ammin' izy ireo no Antemoro mihitsy na efa nankany amin' ny tanindrazan' ny Antemoro mba hahazo fiofanana. Loharanom-bola lehibe iray hafa koa ny famokarana ny taratasy antemoro, taratasy ipetahan' voninkazo izay niraketana ny fahalalana miafina amin’ ny alalan’ ny sorabe, satria mazàna amidy amin’ ny mpizaha tany sy aondrana any ivelany io taratasy io.

  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.

Previous Page Next Page






الأنتيمور Arabic الانتيمور ARZ Антаймуру BE Antemuru Catalan Antaimoro German Antemoro people English Antaimorod ET Antaimorot Finnish Antaimoro (peuple) French Antemoro Croatian

Responsive image

Responsive image